Lehilahy iray no hita faty nihantona teny ambony hazo teny Mahatsinjo, Alasora, ny alahady maraina lasa teo. Raha ny vinavina dia manodidina ny 50 taona any ho any ity rangahy ity. Mbola niakanjo tsara, saingy kosa tsy nahitàna ny mombamomba azy tany aminy. Olona sendra nandalo teny an-toerana no nahita an’ity zavatra tsy dia mahazatra loatra nikorozaroza teo amin’ilay hazo. Hatairana ny azy raha nahita fa hay fatin’olona nihantona ilay izy. Nampandrenesina avy hatrany ny fokonolona sy ny tompon’andraikitra. Tonga teny an-toerana ihany koa ny pôlisin’ny kaomisaria Alasora nijery akaiky ny zava-nisy, niaraka tamin’ireo mpitsabo. Somary hafahafa ity tranga niseho teny an-toerana ity, hoy ny fanazavàna. Ahiana tanteraka ho vono olona noezahina nafenina ho toy ny hoe famonoan-tena mantsy izy io. Voalohany, hoy hatrany ny fanazavàna, kely ilay hazo nihanton’ilay razana, izay tsy maintsy ho tapaka raha tena marina hoe maty nananton-tena teo ilay rangahy. Faharoan’izay dia tsy misy mahafantatra ilay olona hita faty ny mponina eny amin’ilay toerana ary tsy mbola nahità azy io nihelina na dia indray maraina teny akory aza. Ary ny farany, raha ny loharanom-baovao hatrany, rehefa nozahan’ireo mpitsabo ny razana dia hita fa misy dona mafimafy nahazo azy tao amin’ny tampon-dohany, izay tsy ho nateraky ny fihantonany tamin’ilay hazo mihitsy izany. Fantatra moa fa efa nandray an-tanana ity raharaha ity avy hatrany ireto tompon’andraikitry ny filaminana teny an-toerana. Naterina avy hatrany tany amin’ny tranom-paty kosa ny razana, izay mbola tsy nisy naka hatramin’ny omaly. Koa iantsoan’ny tompon’andraikitry voalohan’ny kaomisaria Alasora, ireo olona izay mety mahafantatra ity rangahy hita faty ity, na ihany koa olona very havana tany ho any, mba hanatona azy ireo.
m.L