Fisandohana, fisolokiana, fakàna an-keriny olona … maromaro ihany ny vesatra hanenjehana azy roa lahy ireto. Izy ireo, izay voasambotry ny pôlisy ny andron’ny talata lasa teo teny Androndrakely. Resaka fisolokiana amina fividianana biby fiompy no tena angadin’izy ireo ary efa maromaro ihany ireo lasibatra, hoy hatrany ny vaovao. Ny alatsinainy lasa teo, omby iray no nalain’izy ireo am-pitaka tamin’ny tompony, teny amin’iny faritra Alasora iny. Tsy vitan’ny hoe azon’izy ireo tamin’ny alalan’izay fisolokiana izay fotsiny anefa io omby io fa mbola nentin’izy ireo ary nalain’izy ireo an-keriny ny tompon’omby. Nolazain’izy ireo mantsy fa hividy an’ilay omby izy ireo ary mbola tsy nitondra vola izy ireo fa alaina any amin’ny toeran-kafa. Nisy iray tamin’ireo mpisoloky no niaraka taminy. Ny loza anefa dia tsy hita tany nanjavonana teo intsony ilay tompon’omby, niaraka tamin’ilay olon-dratsy. Raha ny zava-nisy dia nentin’izy ireo am-pitaka ity tompon’omby ity ary nopoizinina tamin’ny alalan’ny ranom-boankazo nasiana fanafody fampatoriana. Nametraka fitoriana avy hatrany teny anivon’ny polisy moa ireo fianakaviana taorian’io fotoana io ary nanomboka teo ny fikarohana sy ny fitadiavana ireto olon-dratsy ireto. Teny amin’iny faritra Androndrakely iny no tafalatsaka tao anatin’ny vela-pandriky ny pôlisy ireo olon-dratsy. Azo niaraka tamin’izay ihany koa ilay omby. Ary fotoana fohy taorian’io no avotra soamantsara ilay raim-pianakaviana, nalain’izy ireo an-keriny. Tamin’ny fotoana nahitana azy, hoy hatrany ny vaovao dia mbola tsy nahatsiaro tena ilay lehilahy ka nentina avy hatrany nihazo tobim-pahasalamana. Tetsy andanin’izay kosa, nentina nihazo ny biraon’ny kaomisarian’ny polisy ao Alasora izy roa lahy ireto ary natao andrimaso ho amin’ny famotorana. Fantatra moa fa efa nigadra noho izay resaka fisolokiana sy asan-jiolahy izay izy ireo ary efa nokarohina fatratra mahakasika raharaha maromaro. « Maro ireo efa lasibatr’ireto mpisoloky ireto amin’ny alalan’ny fividianana biby fiompy ka antsoina ireo izay mety efa voa mba hametraka fitoriana ao amin’ny Kaomisaria Alasora. » hoy hatrany ny pôlisy.
m.L



