
Mba tsy hisahiranan-dry zalahy intsony mitady etsy sy eroa dia naleon’izy ireo mihitsy namboly amin’izay mba mioty fotsiny sisa ! Raha zavatra mahasoa moa maninona fa hevitra tsara mihitsy saingy rongony no resaka teto… Teny amin’iny faritra Alasora iny, tao amin’ny toerana antsoina hoe Amboaroy, olona fito be izao no voatery nosamborin’ny zandary noho ny resaka fanaparitahana, fifohana sy fambolena rongony teny an-toerana. Ny roa tamin’ireo dia vehivavy. Araka ny fampitam-baovao azo dia efa tafiditra sahady ao anatin’ny fanomanana ny fety sy fiarovana ireo vahoaka sy ny fananany ireo mpitandro filaminana eny an-toerana. Tafiditra ao anatin’izay ny ady amin’ny fiparitahan’ny rongony, izay fositra iray mahatonga ny tsy fandriampahalemana. Nisy araka izany, ny angom-baovao azon’ny zandary mahakasika ny fisian’ireo mpidoroka rongony ireto teny amin’iny faritra voalaza iny. Niditra an-tsehatra avy hatrany izy ireo ary nametraka velam-pandrika hipaingorana azy ireo. Tsy niandry ela tokoa fa dia tra-tehaka tanteraka mbola teo am-pisintomana izy rehetra. Tamin’ny fisavana natao tamin’izy ireo no nahitana fa mbola nisy rongony manodidina ny 12 fonosana tany ho any teny amin’izy ireo. Ary tsy vitan’io anefa fa mbola nisy fambolena izany niroborobo teo amin’ny tokontanin’ny iray tamin’ireo tratra. 15 taona hoy ny fampitam-baovao azo ny zandriny indrindra tamin’ireto mpidoroka rongony ireto ary 46 taona ny zokiny indrindra, vehivavy, izay voalaza fa isan’ireo mpamatsy an’izany zava-mahadomelina izany. Nentina notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana tany amin’ny biraon’ny zandary avy hatrany moa izy fito mianadahy ireto, miandry ny fanoloran azy ireo eny anivon’ny Fampanoavana. « Aoka tsy hisalasala hampandre avy hatrany ny mpitandro filaminana ireo rehetra mahatsikaritra itony fiparitahan’ny zava-domelina iton. Ary aoka isika rehetra no hiara-hiady amin’ny zava-mahadomelina ho fiarovana ny tanorantsika » hoy ny zandary
m.L



