Mahomby tokoa ny fitandroana ny fandriam-pahalemana rehefa ny fiaraha-monina no mandray andraikitra. Lehilahy iray saika hangalatr’omby antsokosoko tao amin’ny kaominina Alatsinainy Ambazaha, distrikan’Antananarivo Atsimondrano no matin’ny andrimasom-pokonolona omaly vao mangirandratsy. Io maraina io tokony ho tamin’ny 2 ora no tsikaritr’ireo andian’olona manatanteraka andrimasom-pokokolona ireo jiolahy telo lahy, eo am-pamakiana valan’omby iray tao amin’ny tanàna iray antsoina hoe Antararaka, fokontany Anjanamahasoa, kaominina voalaza etsy ambony. Raha vao nahita ireo mpiambina ireto olon-dratsy dia rifatra nandrositra. Raikitra avy hatrany ny fifanejehana ka tsy lasa lavitra dia voasambotra ny iray. Niezaka nanohitra anefa ity farany ka raikitra ny fifanjevoana. Tao antin’izany no nahafaty ity jiolahy ity raha tafaporitsaka kosa ireo namany. Vokany, tsy tanteraka ilay fikasan-dratsin’izy ireo nohon’ny firaisan-kinan’ireo fokonolona. Ny maraina tamin’ny 6 ora no naharay antso an-telefonina avy amin’ny ben’ny tanànan’Alatsinainy Ambazaha ny zandary ao amin’ny borigadin’ny Fenoarivo. Nidina tany an-toerana avy hatrany ny zandary telo miaraka amin’ny dokotera hanao ny fanadihadiana. Fantatra nandritra izany fa tsy misy mahalala ity jiolahy maty ity. Tsy nahitana taratasy momba azy ihany koa teny aminy. Noho izany dia nalefa eny amin’ny tranom-paty eny amin’ny HJRA Ampefiloha ny razana taorian’ny fizahana nataon’ny dokotera teny an-toerana.
T.M.