- Publicité -
mercredi, septembre 2, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAlin'ny 25 jiona : Nahafaty olona roa ny lozam-pifamoivoizana

Alin’ny 25 jiona : Nahafaty olona roa ny lozam-pifamoivoizana

Ny voalohany, olona roa nandeha kodiaran-droa teo amin’ny làlana Soanierana. Nidona tamin’ny andrin-jiro ny moto ary maty tsy tsa-drano ny lehilahy nanamory izany. Ilay nentiny tao aoriana kosa naratra mafy, tapa-tongotra raha araka ny fitantaran’izay nahita. Nentina faran’izay haingana tany amin’ny hopitaly ny naratra ary nosaromana lamba teo amin’ny toerana nitrangàn’ny loza kosa ny maty. Ny tranga faharoa indray dia tetsy amin’ny by Bypass Amoronakona no niseho. Nisy fiara nandeha mafy ary nandona olona roa. Maty tsy tsa-drano ny iray raha nentina toeram-pitsaboana haingana kosa ny faharoa mba ho famonjena ny ainy. Raha ny filazan’ireo nahita dia nitsoaka avy hatrany ny fiara raha vao nitranga ny loza. Niezaka nanenjika ihany ny kodiaran-droa teo akaiky teo fa tsy azo ilay fiara. Mbola tanora ary manodidina ny 20 taona ilay nodimandry. Omaly dia naparitaka ny sariny mba hamantaran’ny fianakaviany azy. Napetraka tao amin’ny hopitaly manara-penitra etsy Ambohimangakely. Nanokatra fanadihadiana momba ity tranga ity ny zandary. Mandeha araka izany ny fitadiavana ny tompon’antoka ary eo no hamantarana raha lozam-pifamoivoizana na mety ho vonoan’olona niniana na koa tsy nahy no nitranga. Etsy ankilan’izany, efa mitombina sahady ny vesatra toy ny tsy fanavotana olona miady aman’aina izay sazian’ny lalàna famaizana, rehefa hita ny mpamily nahavanon-doza.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici