- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmatazana-Tsararano : Tokantrano voatafika, olona iray naratra voatifitra, lasa ny vola

Amatazana-Tsararano : Tokantrano voatafika, olona iray naratra voatifitra, lasa ny vola

Nisehoana fanafihana mitam-piadiana tany amin’ny tanàna antsoina hoe Amatazana, fokontany Anosy kely, kaominina Tsararano, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna, ny talata lasa teo tokony ho tamin’ny 01 ora maraina. Tokantrano iray no lasibatry ny asa ratsy tamin’io ora voalaza etsy ambony io. Ka ankoatra ny vola roa tapitrisa ariary lasan-dry zalahy, dia naratra voatifitra teo amin’ny lohany ihany koa ny tompon-trano iray. Jiolahy miisa 14 lahy tsy nisy nanao saron-tava nitondra basim-borina efatra sy zava-maranitra no tonga nanao ny asa ratsiny tany amin’ny tanàna Amatazana tamin’io fotoana io. Nanao izay fomba nahafahana niditra tao anaty trano ireo olon-dratsy sady niteny hoe androany no farany ahitanao masoandro « Madama, » hoy ireo malaso tamin’ny tompon-trano. Taitra ny tao an-trano raha naheno ny fidirana tampoka tao an-trano, sady namaha ny varavarana, ka teo nahavoatifitra an’ilay Ramatoa. Tampoka be tamin’izy ireo ny zava niseho ka tsy afaka niaro tena ireto farany. Tsy nisy sahy namaly ihany koa fa voafehan’ireo jiolahy tanteraka ny fanafihana nataony ary izao nahazoan-dry zalahy vola mitentena roa tapitrisa ariary izao. Lasa nandositra ireo dahalo taorian’ny asa ratsiny . Efa nampandrenesina ihany koa ny Zandary, ka tonga nanao ny fizahana ifotony teny amin’ilay toerana voatafika. Ilay Ramatoa tompon-trano voatifitra kosa efa nentina notsaboina eny amin’ny hopitaly be Morafenokely, eto Maevatanàna. Mitohy hatrany ny famotorana ataon’ny Zandary makasika an’ity fanafihana ity.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici