- Publicité SW45 -
vendredi, avril 19, 2024
AccueilFaits-DiversAmbalamanasy : Nifamono ny samy fokonolona, rangahy iray maty, am-polony naratra

Ambalamanasy : Nifamono ny samy fokonolona, rangahy iray maty, am-polony naratra

Nisy halatra omby niseho tao amin’ny fokontany iray tao Ambalamanasy ny faran’ny herinandro teo. Raha vao nitranga ilay halatra omby, izay mateti-pitranga any an-toerana noho ireo mpangalatra mamono izany dia amidiny amin’ny tsena eto Toamasina renivohitra, dia nanara-dia ary tafiditra tamin’ny fokontany hafa tao Ambalamanasy ihany, nefa tsy nampita vaovao tamin’ity fokontany nidiran’izy ireo. Tao amin’ity fokontany ity anefa no nahitan’izy ireo ilay omby izay efa maty sy nahitana dian’antsy, ka niandry teo ny ampahan’ireo fokonolona nanara-dia, ny sasany kosa niantso fokonolona tany an-tanana. Nahita azy ireo teo amin’ilay omby maty anefa ny teo anivon’ny fokontany dia gaga ary nihevitra azy ireto ho dahalo mpangalatra omby ao Ambalamanasy. Vokany, raikitra teo ny adin’ny fokonolona izany hoe ny tompon’omby tsy nisy fampitam-baovao andaniny sy ny fokonolona nisian’ny omby maty ankilany noho ny roa tonta nihevitra fa dahalo mpangalatra omby ny andaniny sy ny ankilany nandritra ny zava-niseho. Nifandaroka teo izy ireo, ary samy nampiasa ny fitaovana teo an-tanana izay nisy ny antsy sy kibay samy hafa nandritra izany. Ny zandary tonga no nanasaraka ny roa tonta ary nitondra ireo naratra teny amin’ny hopitaliben’i Toamasina notsaboina. Tao anatin’izay anefa dia rangahy iray no maty noho ny ratra nahazo azy tamin’izao raharaha izao. Teo vao nivoaka ny marina fa ireo niandry teo akaikin’ny omby maty dia tompon’ilay omby very tao Ambalamanasy fokontany hafa; ireo olona mailo nahita azy ireo kosa dia andrimasom-pokonolona manara-maso ny tanana avy ao amin’ny fokontany hafa ao Ambalamanasy ihany. Resaka fifampitam-baovao tsy nisy sy tsy ampy izao nitera-doza izao tao Ambalamanasy izao.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici