Tena tsy an-kitsitsy ny eto Toamasina amn’izao raha vao mahare ireo mpitandro ny filaminana fa misy andian-jiolahy mirongo fitaovam-piadiana mihaodihaody eto Toamasina. Raikitra ary ny fifampitifirana teo amin’ny jiolahy sy ny zandary teto Toamasina tao Ambalamanasy ny alarobia alina tokony tamin’ny 07ora sy sasany. Araka ny vaovao voaray dia jiolahy iray no lavon’ny balan’ny zandary vokatr’izany. Ny fanampim-baovao no nahalalana fa jiolahy hafa kely ity maty voatifitra ity, satria tsy maka ny an’ny hafa izy fa mpikarama an’ady. Izany hoe izay manakarama azy hamono olona amin’ny vola 2 taptrisa ariary dia sahiny ny mandatsaka an’olona ao Ambalamanasy sy Toamasina renivohitra. Efa maro ireo lasibany ka izy zao maty voatifitra izao no niafarany. Maro koa ny fanadihadiana lalina nataon’ny zandary ka tonga tamin’izao fifampitifirana nahafaty azy izao ny raharaha. Azon’ny zandary koa nandritra izany ny basy fampiasany amin’ny “asa ratsiny” niaraka tamin’ny bala miisa enina. Nanamarika ny vahoaka ao Ambalamanasy fa hampisy fahalemana ao an-toerana ny fahafatesan’ity “jiolahy” ity, satria tsy fantatra mihitsy ireo olon-tsy tia manakarama azy, ka mampitaintaina ireo vahoaka andro aman’alina.
Ankoatra izay koa dia nitrangan’ny fanafihan-jiolahy mpandrava ihany koa tao Ambalamanasy vakim-paritra voalohany ny alarobia maraina tamin’ny 01 ora sy sasany. Araka ny fampitam-baovao dia ravan’ny rivo-doza “Faida” farany teo ny fefin’ilay olona voarava, ka mora tamin’ireo jiolahy ny niditra tao aminy. Jiolahy fito lahy be izao izy ireo no nanao izany izay mbola nanao saron-tava ihany koa ary nitondra basy sy “armes blanches” (antsy sy kibay). Efa tafiditra tao an-trano izy ireo vao taitra ny tao an-trano ka nikoropaka izy ireo ka lasa nifanenjika tao an-trano ireo jiolahy sy ny tompon-trano. Nitifitra ireo jiolahy nandritra izany, saingy tsy nahavoa ireo tao an-trano. Tao anatin’izay anefa dia nahavita nampaneno anjobona vonjy aina ireo tompon-trano, ka rifatra nitsoaka ireo andian-jiolahy fito lahy nanafika. Voalaza fa tsy nahazo na inona na inona ireo jiolahy nandritra izany, ary efa tonga nizaha ny zava-niseho ny zandary, io maraim-be io ihany, araka ny antson’ny mponina manodidina. Efa mandeha ny fanadihadiana ankehitriny.
Malala Didier