Isan’ny nanaovan’ny zandary hetsika goavana noho ny fisian’ireo antsoina hoe “bande des onze”, izay tsy vitan’ny mamaky trano ihany fa tena sahy manono ny olona manohitra azy ireo mihitsy ary manendaka izay mifanena amin’izy tsy andro tsy alina ihany koa. Efa nanaovan’ny fokonolona andrimaso ireto ekipan’ny “bande des onze” ireto saingy tsy mety tratra mihitsy noho ny fananan’izy ireo mpanangom-baovao ao anatin’ny fanaovan’izy ireo ny asa ratsiny ka tafaporitsaka hatrany. Ireo mpanofa trano tao Ambalamanasy ihany koa dia maro no niala sy nifindra monina noho ny afitsok’ireto “bande des onze” ireto. Ny mpitandro ny filaminana ihany koa tara hatrany vao tonga noho ny lalana miditra amin’ity fokontany ity sady tery no be fasika ary kizokizo ihany koa. Tamin’ny fanaovan’ny vondrom-pileovan’ny zandary Atsinanana ny hetsika “Mandio”, dia nametrahana zandary mihitsy tany an-toerana mametraka ny filaminam-bahoaka, araka ny fanazavan’ny Kly Ranaivoarison Théodule, komandin’ny vondrom-pileovan’ny zandary Atsinanana. Raha ny angom-baovao natao dia misy ny vokatra azon’ireto zandary napetraka tao Ambalamanasy izao, satria jiolahy voalaza fa lehiben’ny “bande des onze” antsoina hoe Talata, 35 taona, no maty voatifitr’izy ireo tao anatin’ny fifanenjehana tanatin’ny haizina ny alin’ny sabotsy nifoha ny alahady teo, raha teo am-pamakiana tranon’ity fianakaviana iray tao Ambalamanasy Ingahy Talata sy ny ekipany, afaka nitsoaka ireto farany. Hitondra fitoniana kely eo amin’ny filaminam-bahoaka izao nahalavo tamin’ny alalan’ny basy an’Ingahy Talata izao, hoy ny zandary. Na izany aza, mitohy hatrany ny hetsika ho fandringanana ireo namany mbola mety hanohy ny asa ratsin’izy ireo ao Ambalamanasy ao. Ankoatra izay dia ny zoma teo ihany koa, raha ny fanazavana nataon’ny zandary, dia nisy ity mpitondra posy mpanendaka miasa alina ity maty voatifitry ny zandary ihany koa teo akaikin’ny Saint Paul Manangarivo. Ilay olona nendahiny kosa naratra mafy ka mbola manaraka fitsaboana azy eny amin’ny hopitaly be hatramin’izao.
Malala Didier