Nitrangana fanafihan-jiolahy nitam-piadiana ny tao amin’ny zana-bohitra antsoina hoe: Tsaramandroso, any amin’ny fokontan’Ambalaranobe, kaominina Maevatanàna faharoa ny alin’ny 01 Aprily taona 2026 lasa teo iny, tokony tamin’ny 09 ora tany any ho any. Ny angom-baovao voaray hatrany no nahalalana fa dahalo enina nitondra basim-borina roa no niditra amboletra tamin’ilay tokantrano iray, fivarotana entana mandinika. Poa-basy nitatatata tsy nifandrenesana nanaitra ny mponina no re tao an-toerana. Nandritra ny fanafihana nataon’ireo jiolahy dia nahazo fanairana ara-potoana ny Zandary avy amin’ny tobim-paritra Maevatanàna, ka nandeha môtô avy hatrany. Tonga teny amin’ny toerana nisehoan’izany ny Zandary telolahy no efa an-dalana nitsoaka ireo olon-dratsy, ka raikitra tsy nisy alaharo ny fifandonana teo amin’ny roa tonta. Dahalo roa no voalaza fa naratra tao anatin’ny fifanjevonana, saingy mbola tafatsoaka niaraka tamin’ireo namany. Ny rà nitete eraky ny lalana no narahan’ireo mpitandro ny filaminana sy ny vatan-dehilahy tao Ambalaranobe. Hita nanapaka teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra, tao Avaratran’ny fokontan’Andranobevava, ary nitsaka ny reniranon’Ikopa tamin’ny lakam-by feno rá nihazo ny tanána atao hoe: Anosimbolamena sy fokontany Marosakoa, any amin’ny kaominina ambanivohitra Antanimbary, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna ireo malaso. Niroso hatrany ny fanarahan-dia, ka noho ny tonga tao amin’ny fokontan’Antanadava, kaominina ambanivohitra Bemokotrà dia azo sambo-belona ny iray tamin’ireo dahalo nitete rá, izay naratran’ ny bala ny takolany havia, fantatra amin’ny fiantso hoe: Domal. Rehefa nanontaniana moa ny mpitondra lakam-by nampita azy telolahy dia nanamarina, fa izy tokoa no nandalo teo, saingy nosaromany akanjo ny tarehiny tamin’ny fandalovany teo, ary norahonan’ireo tamin’ny famaky sy antsy ny mpitondra lakana. Notanana natao famotorana ilay jioalahy voasambotra. Mitohy hatrany ny fikarohana ireo namany antsoina hoe: Jaén Marie, Risiny na koa antsoina hoe Belamaody, ary i Mena ilay iray hafa naratra be tsy fantatra na maty na velona, voamarina fa avy any Amboasary Atsimo, ka an-dalam-pikarohana vaovao mikasika azy ny mpitandro ny filaminana hatreto. Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara ny mampahafantatra fa misy miaramila miasa sy miambina, ao amin’ilay tanàna nidiran’ny malaso an-keriny voalaza etsy ambony, saingy efa tapa-bolana no tsy hita hoe: nandeha aiza io miaramila io hatreto, raha ny angom-baovao voaray avy any an-toerana hatrany. Ratantely
Ambalaranobe-Maevatanàna faharoa : Jiolahy iray no azo sambo-belona taorin’ny fifampitifirana tamin’ny Zandary
Articles qui pourraient vous intéresser




