Nesorin’ireo olon-drasy ny visy nitazona ireo varavaram-pitaratra roa (varavaram-be sy varavaran-kely) izay samy vita amin’ny aluminium avokoa ary nentin’ny « entana ».
Ny alin’ny alatsinainy hifoha talata lasa teo, nisy olon-dratsy namaky ny sekolim-panjakana fanabeazana fototra, EPP tao Ambohidahy, kaominina Ambalavao, distrikan’Atsimondrano. Tsy fantatra mazava hoy ny teo anivon’ny zandary dia fotoana nantanterahan’ireo olon-dratsy izany fa omaly maraina tokony ho tamin’ny valo ora izy ireo nisy niantso. Nidina avy hatrany teny an-toerana ireo mpitandro filaminana nijery ifotony ny zava-nisy. Tsy nisy afa-tsy ireo varavam-pitaratra vita amin’ny aluminium ireo ihany no lasan’ireo olon-dratsy. Tsy voakitika kosa ny fitaovana akoatra izay.
Nanam-potoana betsaka mihitsy ireo olon-dratsy nisikotra sy nangalatra ireto zavatra ireto, raha ny fanazavana azo. Marihina fa voaaro amin’ny karakara vy na grille de protection, izay milevina anaty rindrina izy ireo kanefa vitan’ireo olon-dratsy ny nisikotra ity karakara vy aloha, nanendaka izany tamin’ny ampahany, izay vao nanala tsirairay ireo visy nitazona ilay varavaran-kely sy varavaram-be.
Efa nampandrenesina mahakasika ity raharaha ity moa ny tompon’andraikitra misahana ny fampianarana eny an-toerana. Misokatra ihany koa ny fanadihadiana entina mikaroka ireo nahavanon-doza eo anivon’ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Ambalavao.
m.L




