- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversAmbalavao : Dahalo telo sy mpanara-dia iray maty voatifitra, omby miisa 10...

Ambalavao : Dahalo telo sy mpanara-dia iray maty voatifitra, omby miisa 10 tafaverina amin’ny tompony

Taorian’ny fifandonana nahery vaika nisy teo amin’ireo andian-dahalo avy nangalatra omby tao an-tanànan’ i Kirano, any amin’ny distrikan’ Ambalavao Tsienimparihy, faritra Matsiatra Ambony, sy ny mpitandro filaminana nampian’ireo fokonolona, dia malaso telo no maty voatifitra, afak’ omaly. Lehilahy iray mpanara-dia kosa no namoy ny ainy voatifitr’ireo dahalo ary tapa-tanana mihitsy ity raim-pianakaviana mbola tanora ity. Basy iray nentin’ireo dahalo no sarona tamin’ny malaso maty. Raha ny loharanom-baovao voaray dia tafaverina soa aman-tsara amin’ny tompony ny omby folo nangalarin’ny dahalo.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici