Vao manomboka ny fahavaratra, dia namono olona sahady tany amin’ny Distrikan’ Ambalavao Tsienimparihy, ny zoma tolakandro teo tokony ho tamin’ny efatra ora, tao amin’ny Kaominina Ambinanindovoka. Araka ny tati-baovao voaray avy tany an-toerana, dia olona eni-mianaka tamina tokantrano iray (4 lehibe, ary 2 ankizy) no niara-maty nilatsaham-potaka, tao an-tanànan’i Miaramandroso ny andron’io. Nisy efatra hafa ihany koa naratra nipoahan’ny varatra ; izay tsy misy atahorana intsony ny fahasalaman’izy ireo ankehitriny. Raha ny fanampim-panazavana azo hatrany, dia nijojo be ny orana narahina kotraka tamin’io fotoana io, ka olona maromaro misy rohim-pihavanana avokoa no nialoka sy nividy zavatra tao amin’ity tsena iray ity. Loza tokoa ny patsa iray tsy omby vava raha ho avy, satria raha hafaliana ny fahitana ny fiavian’ny orana, dia alahelo sy fahoriana mangidy no nitranga tamin’ity fianakaviana iray ity.
Eric Manitrisa