- Publicité -
samedi, juin 14, 2025
AccueilFaits-DiversAmbalavao Isotry : Mpivady tratra nangalatra tao am-piangonany

Ambalavao Isotry : Mpivady tratra nangalatra tao am-piangonany

Angamba tsy naharitra intsony ireo zava-tsarobidy tao amin’ny trano fivavahany ireto mpivady, tetsy Ambalavao Isotry ireto ka nandika tanteraka ny Didy fahafolo. Tsy vitan’izany fa mbola niroso tanteraka nandika tsotr’izao ny Didy fahavalo. Ny alahady lasa teo tokoa dia tra-tehaka teo am-pibatana ny fanamafisam-peo tao am-piangonana izy ireo, tokony ho tamin’ny valo ora alina. Mpivavaka tao amin’ity fiangonana ity ihany izy mivady ireto, raha ny loharanom-baovao avy tamin’ny pôlisim-pirenena. Tamin’io fotoana io anefa, raha nisy fotoam-pivavahana tao amin’io toerana io ny hariva, dia tsy nivoaka nanaraka ireo mpiangona izy roa, nony vita ilay fotoana fa ninia nijanona ary niafina tao ambony rihana. Tsy ny fitiavana ilay fotoam-bavaka anefa ka hoe mbola te hanampy aim-panahy, fa hevi-dratsy efa maty paika, hanatanterahana ilay voararan’ny Didy fahavalo. Rehefa tsy nisy olona intsony tao am-piangonana, dia navoakan’izy ireo mangingina ny « baffle » iray lehibe tao amin’ity fiangonana ity. Tsikaritry ny mpiambina avy hatrany anefa izany fihetsika izany ary noraisim-potsiny teo ireto mpivady miray loha amin’ny ratsy ireto. Niantso pôlisy avy hatrany ilay mpiambina, ary tonga haingana teny an-toerana ireto farany. Raha vao nahatazana ireo mpitandro filaminana kosa iretsy mpangalatra, avy hatrany dia nitsoaka ary nenjehina hatrany ambony tafo trano rehetra tany. Tsy lasa lavitra anefa dia voasambotra ary nentina nofotorana tany amin’ny birao. Tamin’izany no nahafantarana, fa tsy io « baffle » io ihany no nokaisan’izy ireo hangalarina tamin’io fotoana io. Mbola tao anatin’ny paik’adin’izy ireo ny haka ny « clavier » sy ny « ampli » tao am-piangonana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici