- Publicité -
lundi, mai 19, 2025
AccueilFaits-DiversAmbalavao : Miaramila iray indray matin’ny dahalo

Ambalavao : Miaramila iray indray matin’ny dahalo

Miaramila iray hafa, mitondra gradina « adjudant chef » indray no lavo an-tanim-piadiana ny harivan’ny alakamisy teo, tany Ambalavao, raha nifanehatra tamin’ny dahalo. Nisy fanafihan-dahalo tany amina tanàna iray tany an-toerana io afakomaly hariva io. Nandray ny andraikiny avy hatrany tamin’ny fanarahan-dia io miaramilan’ny Das miasa any an-toerana io, niaraka tamin’ny fokonolona. Nisy ny fifandonana mahery vaika tao amin’ny kizon’i Tsaranoro, tamin’ireo mpanara-dia sy ireo andian-dahalo. Tamin’io fotoana io no lavon’ny balan’ireo malaso ny Adjudant Chef Andriamahelisoa Patrick. Voatery nihemotra araka izany ireto mpanara-dia ka nahazo vahana nitsoaka ireo andian-dahalo. Fotoana fohy taty aoriana dia tonga ny fanampiana, izay nahitàna miaramila sy zandary, ary niezaka indray nanenjika ireo malaso izy ireo. Raikitra indray ny fifandonana mahery vaika faharoa teo amin’ny roa tonta. Tsy nahaleo ny vavam-basin’ireto ankilany anefa ireo malaso ka vaky nandositra, namela ireo omby am-polony maro nangalarin’izy ireo. Araka ny fantatra dia mbola mitohy ny fikarohana ireto dahalo ireto ataon’ireo mpitandro filaminana any an-toerana. Azo lazaina tokoa fa herinandro mainty ho an’ireo mpitandro filaminana ity herinandro ity. Vao andro vitsivitsy lasa mantsy no nahalavo an-tanim-piadiana ny zandary « chef de poste » tao Morondava. Tamin’izay andro izay ihany koa no namonoan’ny dahalo miaramila iray « sergent chef », tamin’ny fomba feno habibiana, satria dia norasarasain’izy ireo tamin’ny antsy ity farany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici