- Publicité SW45 -
vendredi, avril 19, 2024
AccueilFaits-DiversAmbalavao : Olona dimy hiakatra fanadihadiana lalina

Ambalavao : Olona dimy hiakatra fanadihadiana lalina

Toerana ambenana andro aman’alina kanefa… (Sary nindramina)

Niakatra fampanoavana ary nidoboka am-ponja ny dimy amin’ny mpiasa eo anivon’ny tahirim-bolam-panjakana ao Ambalavao (faritra Matsiatra Ambony). Isan’izany ny lehiben’io sampan-draharaha io na koa ny « percepteur principal ». Io farany izay nosamborina ny asabotsy lasa teo ary nanokafana fanadihadiana. Momba ireo polisy izay niandry tamin’io andron’ny 17 aprily indray dia nohenoina izy ireo, tsy isan’ny voarohirohy akory fa kosa nokilasiana ho vavolombelona. Ny talata lasa teo no nandeha ny fanadihadian’ny fampanoavana mahakasika ity raharaha fahaverezan’ny volam-panjakana tao anaty « coffre-fort » izay misokatra avy amin’ny alàlan’ny tenimiafina irery ihany. Nisy fianakavian’ireo voarohirohy koa isan’ny nohenoina saingy nahazo fahafahana vonjimaika izy ireo taorian’izay. Fanindroany izay ary mifanelanelana herintaona ny nisian’ny volabe very tao amin’ity biraom-panjakana ity ihany. Ny tsy nampitovy azy dia ny iray vaky ny toerana ary ny faharoa kosa dia tsy nisy vaky trano na vaky birao fa ny vola fotsiny no nanjavona tao anaty fitoerany. Ny mampitovy azy indray dia faritra arovana hatrany ity biraom-panjakana ity, na andro izany na alina. Hatreto aloha, na nisy aza ny fampidirana am-ponja vonjimaika dia mbola tsy hita popoka izay nalehan’ny vola, volam-panjakana izany hoe volam-bahoaka.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici