Roa lahy voarohirohy amina trafikana rongony no voasambotry ny polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina, tany amin’iny faritra Matsiatra Ambony iny, ny faran’ny herinandro lasa teo. Saika hanondrana rongony efa-jato kilao latsaka kely teo ry zalahy ireto no tra-tehaky ny mpitandro ny filaminana. Rongony izay nokasaina haparitaka aty an-dRenivohitra.
An-tapitrisany maromaro any ho any no mety ho tombam-bidin’ireto rongony saron’ny polisy ireto, ny zoma faha-26-n’ ny volana jona lasa teo. Raha ny vaovao azo dia nahare ny fisian’io tambazotra mikasa ny hanaparitaka rongony aty Antananarivo iny ny polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina ka nametraka paikady hisavana ny lalam-pirenena sy hametraka sakana amin’ireo toerana rehetra mety hisy fiara hitondra entana mifamezivezy. Tokony ho tamin’ny dimy ora sy sasany, ny andron’ny nankalazana ny fetim-pirenena teo no sarona tao Mandazaka, ao amin’ny kaominina Ambinaniroa, Ambalavao ireo “entana” niaraka tamin’ny tompony. Gony am-polony maro, nosesefafana rongony no tratra tao an-toerana. Mitotaly teo amin’ny 25 teo ireto gony ireto ary rehefa nolanjaina ireo zava-mahadomelina maina dia nahatratra 375 kilao. Tompon’ny entana roa lahy moa tratra niaraka tamin’ireto zava-mahadomelina ireto izay nentina nihazo ny biraon’ny polisy avy hatrany nofotorana. Hatolotra ny Fitsarana tsy ho ela ny raharaha, araka ny fampitam-baovao azo hatrany. Ireto rongony ireto kosa dia tsy maintsy hodorana eo imason’ireo manam-pahefana any an-toerana.
m.L