- Publicité -
mardi, mai 20, 2025
AccueilFaits-DiversAmbalavelona : Tafakatra an-jatony mahery ireo voa any Alaotra

Ambalavelona : Tafakatra an-jatony mahery ireo voa any Alaotra

Tsy ireo tovovavy na ankizivavy intsony no voa hatreto fa na hatramin’ireo renim-pianakaviana aza, eny « nihinjaka » hatramin’ny lehilahy maromaro mihitsy ny zoma lasa teo. Mirongatra tanteraka ity aretina ambalavelona ity any amin’iny faritra Alaotra iny.

Samy saika ahitàna azy avokoa ny tanana sasantsany any an-toerana saingy ao amin’ny kaominina Andilanatoby no tena maro voa, raha ny vaovao azo. Tapa-bolana lasa izay dia niha-nahazo vahana tanteraka izany. Misy an’izany ankizivavy mpianatra mahatratra teo amin’ny 30 isa eo no indray mihetsika ary miha-mitombo isan’andro. Saika mpianatra eo amin’ny kilasy fahenina sy fahasivy eo avokoa izy ireo amina sekoly teo eo an-toerana. Ny farany teo aza dia ny zanaky ny tompon’andraikitra voalohany teo an-tanana mihitsy no tratra. Antony nandraisan’ity farany fepetra sy niantsoany vonjy tamin’ireo fikambanana iray, « Antalaotra », hivondronan’ireo mpanasitrana amin’ny fomba nentim-paharazana. Ny zoma lasa teo ireto farany no tonga tany an-toerana. Mpitsabo iray « sprinter » no tonga, ary nananteraka fanasitranana faobe, teo amin’ny kianjan’Andilanatoby. Ny somary nahagaga anefa dia ankoatra ireo ankizy hositranina dia nisy tamin’ireo mpijery, renim-pianakaviana sy lehilahy ihany koa no nihinjaka tampoka.

Marihana fa talohan’ny nahatongavan’ireto « mpitsabo » ireto dia tsy nisy afa-tsy ireo olom-piangonana no hitondràna ireo olona mihetsika ambalavelona. Izy ireo izay resy lahatra tanteraka fa «asan-devoly izy io ka tsy misy afa-tsy ny fiangonana irery ihany no afaka manasitrana ». Tamin’ireo ankizy nentina tao am-piangonana tokoa aloha dia nisy ireo sitrana, saingy nisy ireo tsy mety hialàn’ilay aretina. Etsy andanin’izay anefa, misy hatrany ihany koa ireo voa isan’andro.

m.L / Janus R.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici