Lozam-pifamoivoizana hafa indray no niseho tetsy Ambanidia manakaiky ny “hazo tokana” omaly antoandro, manodidina ny tamin’ny 12 ora tany. Fiara tsy mataho-dàlana miloko mainty iray no nifaoka ieo mpivarotra amoron-dàlana rehefa avy nandona andrin-jiro. Tsy vitan’izany anefa, fa mbola nitrongy fiara “V8” miloko volon-davenona iray indray izy avy teo. Ity farany indray dia voatosika tany aloha ka nandona ihany koa fiara iray hafa. Vokany: potika tsy nisy noraisina avokoa ireo entana fiveloman’ireo mpivarotra. Potika tanteraka ihany koa ny lohan’ilay “4×4” mainty ary ireo fiara roa ambiny dia kiaka avokoa. Tsy nisy kosa ny aina nafoy, fa mpandeha an-tongotra iray no naratra mafy. Ankoatra izay, nitohana tanteraka ihany koa ny fifamoivoizana tany amin’iny faritra Miandrarivo Ambanidia iny. Efa tonga teny an-toerana kosa ny teo anivon’ny “Brigade des Accidents” nanao ny “constat” rehetra. Fantatra araka izany fa noho ny hamamoana diso tafahoatra sy fandehanana mafy nataon’ilay mpamily ilay “4×4” mainty no fototry ny loza.
Niony H.