Andian-jiolahy mpanao fanafihana sy mpaka an-keriny no ravan’ny mpitandro filaminana omaly tetsy Ambanida, raha nikasa ny hanao ny asa ratsiny. Sinoa mpandraharaha iray no nataon’izy ireo lasibatra. Tsy mbola voafaritra mazava ny isan’ireo jiolahy. Raha araka ny fantatra dia handeha hanatitra vola ao amin’ny banky iray ao an-toerana io teratany sinoa io, omaly antoandro. Karazan’ny efa maty paika ihany ny fanafihana azy raha ny fijerin’ny mpitandro ny filaminana. Ireo farany rahateo no nahazo vaovao ny amin’ny fisian’ny andian-jiolahy hanao asaratsy ary nidina an-tsehatra avy hatrany nanamarina. Tamin’ny voalohany dia noheverina fa mahakasika varotra fitaovam-piadiana no hitranga. Saingy zavatra hafa mihitsy no nitranga teny an-toerana : sinoa hanatitra vola izay voalaza fa mitentina miliara, no notafihana. Ny zandary no nahazo ny vaovao ary niditra an-tsehatra. « Efa nisy herinandro tokoa mantsy no nandrenesan’ireo zandary ireo fa misy andian-jiolahy mikasa ny hanafika mpandraharaha ara-toekarena iray eto an-drenivohitra ary miomana mafy mandamina paik’ady ny handroba azy io. Niomana fatratra noho izany koa ireo zandary ka naka endrika sivily mihitsy mba hahafahana manakana io fikasan-dratsy io, na dia tsy mbola fantatra aza ny ora sy fotoana hisehoan’izany. Nisy noho izany ireo olona noahiahiana ho isan’ny jiolahy izay narahana isan’andro isan’ora. Nisy ihany koa ny fanarahana ilay mpandraharaha andro aman’alina » hoy ny vaovao. Iray tamin’ireo olon-dratsy no maty voatifitra ary ny telo ambiny azo sambo-belona. Basy poleta roa no sarona teny amin’izy ireo. Mbola misy karohina ankehitriny, raha araka ny vaovao azo hatrany, mahakasika ity fanafihana amin’ny andro antoandro be nanahary ity.
D.R
Ambanidia : Iray maty voatifitra, telo azo sambo-belona
Articles qui pourraient vous intéresser