- Publicité SW45 -
dimanche, mai 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbanidia : Jiolahy nosamborina vao maraina tao an-tranony

Ambanidia : Jiolahy nosamborina vao maraina tao an-tranony

Ny hery vonjitaitran’ny polisy, na ny UIR, no nanao ny fisamborana. Vao maraina ny alakamisy teo dia efa voahodidin’ireo mpitandro ny filaminana ny tranon’ny lehilahy iray fantatra amin’ny anaran-jiolahy hoe Ra-Co. Ny fanafihana olona iray izay hanatitra vola ao amin’ny banky ny tena anton’ny fikarohana izay niafara tamin’ny fisamborana azy. Vola mitentina 30 tapitrisa ariary niaraka tamin’ny volamena milanja 384 girama no lasan’I Ra-Co tamin’io fotoana io, testy avaratr’Ankatso. Nisy nahita fa lehilahy mitondra môtô BWS no tompon’antoka tamin’ny fanafihana ary izy dia nanao “survêtement” miloko volon-davenona. Niainga tamin’izay ny angom-baovao nataon’ny pôlisy. Rehefa vita ny fanafihana dia nolokoin’ilay ekipan-dRa-Co mena faran’izay haingana ny môtô nampiasaina mba hahasarotra ny famantarana azy ireo. Tapa-bolana taty aoriana, rehefa nandeha ny fanamarinam-baovao samihafa izay natao dia nanomboka fantatra fa etsy Volosarika-Ambanidia no misy ny toeram-ponenan’ilay olona voarohirohy. Natao sarika am-pandriana izy ny marainan’ny alakamisy ary voaporofo tokoa fa tao ilay akanjo nanatontosany fanafihana tamin’ny 31 martsa lasa teo. Mbola mitohy ny fitazomana ity lehilahy ity eo anivon’ny mpanao fanadihadiana satria mbola betsaka ny namany izay karohina. Etsy andanin’izany, ny basy fampiasany ihany koa dia mbola tadiavin’ny polisy. Karazana fanamiana no hita tao an-tranony ary mainka koa ireo nanome antoka ny mpanao fanadihadiana ny maha-jiolahy an’ity lehilahy ity. Fanafihana maromaro no ahiana ho efa notontosainy teto an-drenivohitra ary izany dia nisy basy avokoa nampiasainy niaraka tamin’ireo namany hafa. Feno jiolahy eto Antananarivo ary manana basy hatrany ireo. Mila mafy hatrany ny polisy amin’ny fikaroham-baovao raha tiana hihena ny fanafihana mitam-basy. Efa isan’ny vokatra tsara ity nitranga tetsy Volosarika Ambanidia ity.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici