- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbanidia : Lasan’ny jiolahy ny volan’ny « station-essence »

Ambanidia : Lasan’ny jiolahy ny volan’ny « station-essence »

Tsy maizina tanteraka akory ny andro, dia efa nipoaka ny basy tetsy Ambanidia. Ny zava-nitranga : tokony ho tamin’ny dimy ora sy sasany hariva, dia nisy lehilahy iray nitondra môtô izay nisy nidaroka tamin’ny vy ary nitsirara tamin’ny tany. Mpaka vola vidin-tsolika amin’ny « station essence » izay maty isan’andro eto Andrenivohitra izy io.  Tsy hotononina ny anaran’ilay orinasa mba hiarovana sao hiverenan’ny jiolahy indray. Mitentina 20 tapitrisa ariary mahery no lasa nandritra ilay fanafihana. Nentina tamin’ny môtô ny vola ary nataony tao anaty ny kitapo an-damosina. Toa efa nisy nanaraka izy taorian’ny nangalany ny vola, raha araka ny fandinihana ny raharaha. Tsy mifanalavitra ny tsenan’Ambanidia no nitranga ny fanafihana tamin’ny ora voatondro etsy ambony. Rehefa vita izany dia niditra tao an-tsena ireo jiolahy no sady nanapoaka basy. Nitsoaka tany amin’ny làlana izay heverina fa elakelan-trano mizotra any Manakambahiny izy ireo nony avy teo. Mafy ny jiolahy sy ny mpanome vaovao azy ireo momba ny toerana misy ny vola sy ny olona mitondra izany…

D.R

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici