Trano biriky iray no ravan’ny afo ny alakamisy hariva teo tetsy Ambanidia. Vehivavy iray manana olana ara-batana ka tsy afa-nihetsika teo am-pandriana no namoy ny ainy tao anatin’izany. Tokony ho tamin’ny fito ora mahery tany ho any no niseho ny loza, raha ny filazan’ireo mponina. Tsy nisy olona ankoatra ity renim-pianakaviana iray 56 taona ity tao an-trano tamin’io fotoana io. Ny afo nijoalajoala sy ny setroka nitambolona nivoaka ny trano no nanaitra ireo manodidina, ka nampikoropaka azy ireo. Samy niezaka ny nifehy izany avokoa ireo fokonolona teo an-toerana. Tao ihany koa ireo niezaka namonjy ilay vehivavy, rehefa nahafantatra fa mbola misy olona tavela tao. Lelafo mijoajoala sy setroka mainty mitambolona sisa no novantanin’ireo vady aman-janak’ity renim-pianakaviana ity, tsy afaka nanao n’inona n’inona namonjena azy. Nisy tamin’ireo mponina sasany no niantso ireo mpamonjy voina. Ireto farany moa dia tonga haingana teny amin’ny toerana nitrangan’ny loza. Vetivety ihany dia maty tanteraka ny afo. Noezahina nosokirina tao anatin’ireo korontana, tapa-porohana navelan’ny afo ny vatana mangatsiakan’ity ramatoa ity. Ramatoa izay fantatra fa tsy afa-nihetsika intsony taorian’ny aretin’ny fahatapahana lalan-drà nahazo azy. Nentina avy hatrany eny amin’ny tranom-patin’ny hôpitaly moa ny razana nony avy eo, hatao fitsirihana. Tetsy an-danin’izay kosa, amin’ny tranga misy fahafatesan’olona toa izao, dia tsy maintsy nanokatra ny fanadihadiana ny pôlisy misahana ny heloka bevava. Mampiahiahy ihany ny zava-nitranga, indrindra fa hoe mbola tsy fantatra mazava hatreto ny fototry ny afo.
m.L