- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbanidia : Tambajotrana mpisoloky amin’ny resaka vato ravan’ny zandary

Ambanidia : Tambajotrana mpisoloky amin’ny resaka vato ravan’ny zandary

Izay tratra aloha dia mandraingiraingy tanteraka. Vola efa mitentina eo amin’ny 30 tapitrisa ariary teo ho eo no efa lasan’ireto mpisoloky ireto amin’ity asa ratsy ity. Miisa fito izy ireo no voasambotry ny zandary teny amin’iny faritra Ambanidia, Mahamasina sy 67ha ity. Ary voalaza fa hoe teratany vahiny no mpiray tsikombakomba amin’izy ireo. Ity farany izay mbola karohina amin’izao fotoana izao. Efa maty paika tanteraka ny fomba fiadin’ireto olon-dratsy ireto, ary vehivavy, izay hitany ho manambola no tena ataony lasibatra. Milaza fa manana vato amidy mantsy izy ireo ary efa mahita mpividy, saingy teratany vahiny izy io. Tsy mahay teny frantsay anefa ilay mpanera ka mindrana an’ity olona hosolokiana ity hiady varotra aminy, dia omena ampahany. Amin’io fotoana io, dia tsy miaraka amin’izy ireo eo ilay vazaha fa any amin’ny toerana tsy fantatra ary milaza fa hamonjy azy ireo maika. Eo amin’izay no mandeha izao fandraikiraikena rehetra izao, satria miantso tampoka ilay teratany vahiny fa misy sampona mahazo azy ireo eny an-dalana, ka raha afaka manome vola ireto mpivarotra aloha ilay ramatoa hosolokiana. Na dia te handà aza dia fatratra tokoa ny fandresen-dahatra ka dia manome ilay volabe atao vodiom-barotra. Avy eo milaza indray ilay mody miteny vahiny fa nandona olona ka mila vonjy satria tsy misy afa-tsy vola vahiny any aminy. Dia mandefa vola ihany koa ilay ramatoa. Mitohy hatramin’ny hoe maty ilay olona voadona ka mila hanaovana fomba dia mangataka vola indray ity vahiny ary dia manome tokoa ilay voasoloky. Any anefa dia tsy misy tohiny intsony nony avy eo, rehefa betsabetsaka ny azo. Nametraka fitoriana avy hatrany ity vehivavy ity ary dia izao niafara tamin’ny fisamborana azy fito izao. Omaly ihany moa no natolotra ny Fampanoavana izy ireo, ary dia nadoboka am-ponja avy hatrany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici