Nataon’ny teo anivon’ny vondron-tobim-paritry ny zandary Imerina Central ho vaindohan-draharaha ny fanakanana ireo trafika isan-karazany mandalo amin’iny lalam-pirenena faharoa iny, miditra eto an-drenivohitra. Taorian’ny resaka fitrandrahana sy fitondrana hazo ala tsy ara-dalàna, dia vato indostrialy fantatra amin’ny anarana hoe « gabbro » indray no sarona, omaly, teo amin’ny sakana teo Ambatolampikely Ambanitsena, tamin’iny lalam-pirenena faharoa iny. Milanja teo amin’ny telo taonina mahery teo ho eo ireto vato ireto, ary tsy nahitàna taratasy ara-panjakana mahakasika ny fitrandrahana sy ny fitondrana izany, araka ny fampitam-baovao azo.
Vato avy any amin’iny distrikan’Amparafaravola ny fiara nitondra izany vato izany, ary saika hitondra azy ireo hiakatra aty an-drenivohitra. Teo anatrehan’ny zava-nisy moa dia nosamborina sy notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana avy hatrany ny mpamilin’ilay fiara sy ny tompon’ny entana, tao anatin’io fiara io ihany. Nogiazana kosa ireo entana, ary nampidirina am-balam-pamonjana ilay fiara. Efa nampandrenesina mahakasika ity tranga ity moa ny teo anivon’ny Sampan-draharaha misahana ny harena an-kibon’ny tany, izay hiaraka hanao ny famotorana amin’ireo zandary eo anivon’ny vondron-tobim-paritra « IC ». Marihana fa mahavoasazy tokoa ary voararan’ny lalàna, araka ny voarakitra ao anatin’ny lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany, ny fitrandrahana, fitazomana ary fitondrana vato tahak’izao, ka tsy nisy taratasy mazava sy ara-dalàna. Voarakitra ao anatin’io lalàna fa mety mampigadra iray ka hatramin’ny dimy taona, ary handoavana lamandy telo hetsy ariary ka hatramin’ny dimampolo tapitrisa ariary, ny fandikàna izany.
m.L




