Nirongatra izay tsy izy ny halatra lavanila sy vaky trano any Ambanja tato ho ato, ka tsy vitsy ireo Fokontany mametraka andrimasom-pokonolona. Jiolahy iray nanafika sy nitifitra mpandraharaha iray tao amin’ny Fokontany Antsahampano, no matin’ny fitsaram-bahoaka notetehin’ny fokonolona tamin’ny antsibe, ny alahady teo, tany Ambanja. Araka ny vaovao voaray dia jiolahy efatra mirongo basy vita gasy no nanafika an’ity mpandraharaha iray ity. Avy hatrany dia nitifitra ny iray tamin’ireo olon-dratsy. Voa teo amin’ny lohany ilay mpandraharaha ary naratra mafy. Tsy ela akory dia tonga ny andrimasom-pokonolona ka voasambotra ilay jiolahy nitifitra niaraka tamin’ny basy raha tafaporitsaka kosa ireo namany telo izay mbola karohina hatramin’izao. Mbola tratra teo amin’ity jiolahy namoy ny ainy ity ihany koa lasaka efatra misy lavanila.
Eric Manitrisa
Ambanja : Jiolahy nitifitra mpandraharaha maty notetehan’ny fokonolona
Articles qui pourraient vous intéresser