- Publicité -
mardi, mai 20, 2025
AccueilFaits-DiversAmbanja : Manao fanamiana zandary ireo mpanafika kamiao

Ambanja : Manao fanamiana zandary ireo mpanafika kamiao

Tsy ny fiara mpitatitra olona ihany no iharan’ny fanafihana ataon’ireo jiolahy eny amin’ny lalam-pirenena  fa iharan’izany hatramin’ireo kamiao. Fa ny tena loza dia manao fanamiana zandary ireo jiolahy  ka mora foana ho azy ireo ny manakana ireo fiara, toy izay nitranga tany Ambanja ny sabotsy lasa teo ity. Kamiao mitondra siramamy 30 taonina hiakatra aty Antananarivo no  nosakanan’ireo jiolahy teoanelanelan’Ambanjasy Ambilobe tokony ho tamin’ny 11 orasy sasany antoandro. Telo lahy ireo mpanafika ka manao fanamiana zandary ny roa. Nofatoran’izy ireo tao aoriana ny mpamily ilay kamiao. Noraisin’ireo mpanafika tamin’izay ny familiana ny fiara nanomboka teo. Afaka niantso an-telefaonina ny tompon’ny fiara ihany anefa ilay mpamily rehefa nahavaha ny fatotra natao azy. Ity farany izay tsyiza fa ny raharalahin’Atoa Rakotondrandria Richard Claude, Filohan’ny fikambanan’ireo tompona fiara vaventy mpitatitra entana eto Antananarivo. Ityfarany no nampandre haingana ny zandary tany an-toerana. Tsy lasa lavitra ary ilay fiarabe fa voasakana teo amin’ny 15 km miala ny toerana nitrangan’ny fanafihana. Voasambotry ny zandary teo no ho eo ilay jiolahy iray namily ny fiara. Afaka nitsoaka kosa ny roa, izay nanao fanamiana zandary. Nefa ny harivan’io sabotsy io ihany dia voasambotra ny iray rehefa nibaradaka ilay jiolahy tratravoalohany nandritra ny fanadihadiana azy. Noho izany, nandamoka ilay fanafihana. Tranga izay nisaoran’Atoa Claude Richard Rakotondrandria manokana ireo mpitandro filaminana noho ny fandraisan’izy ireo andraikitra ara-potoana.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici