- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbanja : Mpamono vady maty voatapa-doha

Ambanja : Mpamono vady maty voatapa-doha

Habibiana sy rà nandriaka indray no nitranga tany amin’iny disitrikan’Ambanja iny ny faran’ny herinandro lasa teo. Lehilahy iray namono ny vadiny no niharan’ny hatezeram-bahoaka, tany Bevondrona, ao amin’ny fokontany Analavory, kaominina Antsatsaka. Nanaraka hatramin’ny ainy ity rangahy ity mihitsy izany. Tsy nisalasala mantsy ireo fokonolona nanapaka avy hatrany ny lohan’ity rangahy ity. Raha ny fampitam-baovao azo dia nisy ny fifamaliana teo amin’ity tovolahy ity sy ny vadiny, izay vao 17 taona. Tsy nahatana ny tanany ralehilahy ka nidaroka sy namono ny vadiny. Tsy nihanona nitazam-potsiny ireo fokonolona rehefa nahita ny trangan-javatra fa avy hatrany dia niditra. Nitsoaka nandositra ranamana ary raikitra ny fifanenjehana. Olona iray ve moa ahatohitra fokonolona iray manontolo romotra sy lian-drà. Vetivety foana dia voasambotra ilay mpamono vady ka nitambaran’izy rehetra. Tsy nitsitsitsy ary tsy nisalasalasa akory ireto andian’olona ireto namira antsy ny tendan’ilay lehilahy. Tapaka tarangana ny lohany ary maty teo ho noho eo rangahy mpamono vady. Nidina avy hatrany tany an-toerana ireo tomponandraikitry ny filaminana any an-toerana, nandray an-tanàna ny raharaha, raha vao nandre ity vaovao mampihoro-koditra ity.

Miha mahazo vahana indray ity fitsaram-bahoaka ity tonga hatrany amin’ny famonoana ho faty amin’izao. Vao tamin’iny  herinandro ihany koa mantsy no nisy tranga nitovy tamin’izay tany Manakara. Lehilahy tratra nangala-bary no niharan’ny hatezeram-bahoaka sy voatapa-doha.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici