- Publicité -
dimanche, septembre 13, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbanja : Rongony 500 kilao mahery sarona

Ambanja : Rongony 500 kilao mahery sarona

Ny andron’ny alarobia lasa teo, namokatra indray ny ady nataon’ireo mpitandro filaminana amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina, indrindra fa ny rongony. Tany amin’iny distrikan’Ambanja iny mantsy dia rongony maina ef vonon-kamidy milanja eo amin’ny tapa-taonina mahery teo no sarona tao amin’ny kaominina Anaborano Salama. Olona iray tamin’ireo 17 nilanja izany rongony izany no voasambotra ary efa ao anatin’ny fikarohana ireo namany sy ny tompon’ny entana ny zandary. Raha ny fantatra dia niainga tamin’ny fampitam-baovao avy amin’ny olona tsara sitrapo no nahafantaran’ny zandary ity trafika ity. Nambara tamin’io mantsy fa misy andian’olona milôjehitra gony feno rongony mandalo amin’io tanana io. Napetraka avy hatrany ny sakana ary novelarina ny velam-pandrika. Ny alin’io, tany amin’ny misasakalina tany tokoa no nandalo ireo andian’olona ireto. Mailo avy hatrany anefa fa nahatsikaritra fa misy manaraka izy ireo ka nanao tari-dositra nitsoaka namela ireo entana. Raikitra ny fifanenjehana ka teo no nahatratra an’ilay iray ary nahatafaporitsaka ny ambiny. Sarona daholo kosa ireo rongony maina izay nokasaina hamparitaka. Nahatratra hatramin’ny 34 isa no totalin’ireo gony feno rongony nogiazana izay milanja eo amin’ny 580 kilao teo. Notanana natao fanadihadiana avy hatrany moa ilay voasambotra ary mitohy ny fanadihadiana any an-toerana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici