Tokantrano iray indray no notafihin’ny jiolahy misaron-tava ny alatsianiny lasa teo vao mangiran-dratsy. Tao amin’ny fokontany atao hoe Antanambazaha ao amin’ny distrikan’Ambanja no nisehoan’izany, tokony tamin’ny telo ora sy sasany tany ho any. Raha ny fitantaran’ny tompon-trano dia tsy nanam-po velively ny zavatra hitranga izy ireo satria azo lazaina ho mbola mandry fahalemana ihany iny faritra iny. Nandritra ny fanafihana dia marihina fa voaambana antsy avokoa ny tao an-trano hatramin’ny zanak’izy ireo mba tsy hiantso vonjy any ivelany. Lasan’ireo olon-dratsy tamin’izany ny fitaovana informatika rehetra tao amin’ity tokantrano ity, ny “tablettes”, sy ny vola rehetra hitan’izy ireo tao. Tsy nisy nahafantatra izay zavatra nitranga araka izany ny manodidina raha tsy efa maraina ny tompon-trano nampandre ny mpiandraikitra sy ny sefo fokontany . Ireto farany anefa dia samy tsy nisy tao avokoa tamin’ny ora nametrahan’izy ireo ny fitarainana. Nampandre ny polisy sy ny zandary ihany koa izy ireo ary mitaky ny hijerena akaiky ity raharaha satria raha ny fantatra dia misy marika nahafantaran’ny tompon-trano ireo olon-dratsy nanafika izy ireo ihany. Andrasana araka izany ny mety ho tohin’ny fanadihadiana.
Niony H.