- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAmbanja : Vedety rendrika, saika dobo avokoa ny entana

Ambanja : Vedety rendrika, saika dobo avokoa ny entana

Nisehoana loza an-dranomasina indray, tany amin’iny faritr’ Ambanja iny, ny alatsinainy lasa teo. Vedety kely iray mitondra ny anarana hoe «  Day-Line » no rendrika  teo amin’ny 70 metatra tsy hahatongavana ao Ankify. Araka ny fantatra, dia avy any Nosy Be ity vedety ity ary ho any Ankify. Saika dobo avokoa tetsy an-danin’izay ny entana nentiny, izay nahitana ny fanamasim-peo sy fitaovan’ny tarika Dadi Love. Avotra soa aman-tsara avokoa tetsy andanin’izay ireo olona sivy nentin’ity lakana haingam-pandeha ity. Araka ny fampitam-baovao azo, dia nizotra tsara ny diany. Nony akaiky tonga teo amin’ny seranana, teo Ankify anefa no nidona tamin’ny vato ity vedety ity. Dobo teo araka izany ity farany. Tonga namonjy ity lakana haingam-pandeha rendrika ity moa ireto tomponandraikitra sy ireo nahita ny loza. Efa mandeha kosa ny fanadihadiana ataon’ny sampan-draharaha misahana ny resaka fifamoivoizana an-dranomasina sy an-dranomamy, miaraka amin’ireto zandary any an-toerana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici