- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbanja : Voasambotra ilay lehilahy mpanolana sy mpamaky trano

Ambanja : Voasambotra ilay lehilahy mpanolana sy mpamaky trano

Lehilahy iray no voasambotry ny polisim-pirenena Ambanja ny sabotsy 26 desambra 2020 noho ny resaka fanolanana sy vakitrano. Teo am-pamakiana tokantranon’olona iray ity lehilahy ity no noraisim-potsiny teo ambodiomby noho ny antso vonjy haingana nataon’olona tsara sitrapo nahatsikaritra izany asa ratsiny izany. Ny fanadihadiana natao no nahafantarana fa efa maherin’ny telo ny tokantrano lasibatr’ity lehilahy ity ka saika narahany fanolanana avokoa izany. Isan’ny niharan’izany ny zazavavy kely vao 2 taona monja, tovovavy 20 taona, ary ramatoa 48 taona. Tamin’ny fanadihadihana no nahafantarana fa mandeha irery izy rehefa manao ny asa ratsiny i ka ireo tokantrano tsy misy lehilahy no kendreny. Niaiky ny heloka vitany moa ity rangahy ity ary efa natolotra ny Fitsarana ny herinandro lasa teo ny raharaha.

T.M.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici