samedi, avril 19, 2025
AccueilFaits-DiversAmbarijeby-Tsaratanàna :Olona telo nilatsaham-potaka, maty tsy tra-drano ny iray

Ambarijeby-Tsaratanàna :Olona telo nilatsaham-potaka, maty tsy tra-drano ny iray

Hatairana ny an’ireo mponina manodidna rehefa nahita sy naheno ny zava-nitranga, tamin’ny alalan’ny fipoahana varatra nirefotra tao amin’ny fokontan’Ambarijeby, any amin’ny kaominina ambanivohitra Tsararova, disitrikan’i Tsaratanàna, aty amin’ny faritra Betsiboka ny Zoma faha 11 Aprily taona 2025 teo iny, tokony tamin’ny efatra ora hariva tany ho any. Raha ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana hatrany dia olona roa avy namonjy tsena tao Tsaratanàna no nivily lalana nividy  » misao na Paty, » tany Ambarijeby. Vetivety teo dia nahery vaika ny kotro-baratra, sady nisasasasa tamin’izy roa sy ilay mpivarotra misao ny varatra. Vokany: Maty tsy tra-drano ny iray raha efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ny zazavavy mpivarotra misao sy ny olona iray hafa. Tsara hatrany mampahafantatra fa avy any Karaobato, fokontany Mandanilasiray, any amin’ny kaominina ambanivohitra Tsararova moa ny olona iray namoy ny ainy nandritra izany.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici