Na dia efa nisy taratasy nifanaovana aza ny amin’ny ialan’ilay infirmiera amin’ny tranon’olona nipetrahany sy nampiasainy, mialohan’ny taona 2024 dia mbola mitoetra tsy mety miala eo izy atramin’izao. Any amin’ny fokontany Mangaroa, kaominina ambanivohitra Ankijabe, distrikan’Ambato Boeny no misy ity olana ity. Lova ity tanàna ity ary lasan’ireo tompony fa misy taratasy ara-dalana ankoatra io taratasy nifanaovana io. Toy izany koa ny hoe ampiasaina ho hopitaly kanefa efa misy hopitaly natsangan’ny fanjakana any an-toerana. Nambaran’reo tompontrano izay velon-taraina amin’ny hafitsok’ity mpiasan’ny fahasalamana, izay midongy ao amin’ny tranon’izy ireo ankehitriny. Raha ny nambaran’ny Tompontrano, dia fiangaviana no natao tamin’izy ireo, izay nataona Sefo fokontany niaraka tamina Sojabe maromaro, ny mba hipetrahan’ilay infirmiera io tao amin’ny tranon’izy ireo, mandritra ny dimy taona, ary natao an-taratasy io fiangaviana ny hipetraka ao amin’ny trano io. Fiantrana ny fokonolona manodidina izay tsy misy toeram-pitsaboana no antony nanaovan’ireto fianakaviana ireto, ny asa fanampiana. Mivadika ny rasa anefa, midongy Ilay infirmiera. Miantso ny tompon’andraikitra mba hijery akaiky ity raharaha ity ireo fianakaviana. Efa mandeha ny fitondrana ny raharaha eo amin’ny tompon’andraikim-panjakana.
Yv Sam