Omby 30 mahery no lasan’ny dahalo, ny Talata lasa teo. Tao amin’ny fokontany iray atao hoe Ampamofo kaominina ambanivohitry Sitampika, isan’ireo kaominina 12 mandrafitra ny distrikan’ Ambato-boeny. Araka ny tatitra nataon’ny lehiben’ny distrika, dahalo 40 lahy izy ireo no niakatra nanafika tao an-tanàna. Niaraka tamin’ny fitaovam-piadina samihafa ary nirongo basy 9. Nirefodrefotra ny basy tamin’io fotoana io, noraofin’izy ireo avokoa ny omby tao an-tanàna. Nentin’izy ireo natao takalonaina niaraka tamin’izay ihany koa ny lehiben’ny fokontany sy ny vadiny ary niharan’ny herisetra mafy. Navotsotr’izy ireo ihany anefa ireto farany rehefa niala lavidavitra ny tanàna. Tsy nitsahatra teo, fa ny Alarobia maraimbe, nisy ihany koa andian-dahalo hafa niakatra nanafika ny fokontany iray atao hoe Sarodrano akaikin’io Sitampika io ihany. Raha ny fantatra, 10 lahy izy ireo no nanao ny fanafihana ka omby maromaro ihany koa no lasan’izy ireo tamin’izany. Vokatr’ireo rehetra ireo, miaina ao anaty tebiteby sy tahotra ireo mponina any an-toerana ankehitriny. Mandry tsy lavo loha, manahy lava ny amin’ny ho avy rahampitso, ny amin’ny tsy fisian’ny fandriampahalemana. Mampametra-panontanina ihany ny momba ity tranga ity raha ny zava-misy no jerena. Voalohany, ny Talata alina teo dia efa nahafantatra ny zavatra hiseho ka nanao fanairana, antso avo sy vonjy tao amin’ny tambajotra sosialy “facebook” ny iray amin’ireo mponina tany an-toerana. Efa nilaza izy fa “Hiakatra an-tanàna ny dahalo izao alina izao, io no resaka mandeha aty aminay “croisement-n-dRazaka, kaominina ambanivohitra Andranofasika Distrikan’ Ambato-boeny. Mitebiteby ny ho very fananana sy ho faty. Antso vonjy, raha mahita ity ianareo mpitandro ny filaminana tsy lavitra ny faritra misy anay mba hanampy anay na dia ody tahotra monja aza”. Maraina ny andro, tompon’omby tao amin’ny fokontany iray tao Sitampika no lasibatra. Faharoa, vao ny Alatsinainy lasa teo koa no nanao fivoriambe mahakasika ny tsy fandriampahalemana tao Anjiajia ireo tompon’andraikitry ny filaminana rehetra teto Mahajanga notarihan’ny prefet. Nodinihana tamin’iizany ireo paikady rehetra hiadina amin’io asan-dahalo lasa mateti-piseho ao Ambato-boeny io. Napetraka avokoa ny toromarika, nefa dia andro vitsy taoriana no niseho ireo tranga samihafa ireo. Amin’izao moa, mialaza ho efa mandray an-tànana ny raharaha ireo mpitandro ny filaminana isan’ambaratongany ireo ka andrasana izay mety ho vokatry ny fanarahan-dia sy ireo tetika voalaza fa matipaika napetraka.
Tantely Vandriam