Ankoatra ny fahaverezan-jaza tsy ampy taona izay mirongatra tokoa tato ho ato, dia miverina mahazo laka indray ny resaka fanolanana. Tovolahy 19 taona no voalaza fa nanolana zazavavy kely izay vao enin-taona monja, ny alakamisy 28 jolay lasa teo. Tany amin’ny fokontany Tsinjorano, Kaominina ambanivohitra Ankijabe, distrikan’Ambato Boeny, no nisy nanao izany. Tokony ho tamin’ny iray ora tolakandro, tratran’ny fokonolona am-bodiomby tanteraka teo am-panaovana ny asa ratsiny ity tovolahy ity. Ilay zazavavy naolany dia voalaza fa monina ao Menarano, ao amin’io Kaominina io ihany. Tezitra aok’izany ny fokonolona raha nahita ny zava-doza niseho. Voamarin’ny dokotera mitsabo ilay zaza mantsy fa simba tanteraka ilay zaza ary mila fanaraha-maso akaiky. Kely foana no tsy nampiharan’ny fokonolona ny hatezerany tamin’ity tovolahy nahavanon-doza. Avy hatrany ity farany, dia naterin’ny fokonolona maromaro narahana JAMA iray, andrimasom-pokonolona any an-toerana, teny amin’ny biraon’ny Polisy ao Ankazoambo. Eo am-pamotorana ilay tovolahy nahavanon-doza arak’izany ireo mpitandro ny filaminana. Ilay zaza kosa mbola manohy ny fitsaboana azy eny amin’ny hopitaly Ankazoambo.
Niony H.