- Publicité -
vendredi, septembre 25, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbato Boeny : Tovolahy nanolan-jaza 6 taona, saika niharan’ny fitsaram-bahoaka

Ambato Boeny : Tovolahy nanolan-jaza 6 taona, saika niharan’ny fitsaram-bahoaka

Ankoatra ny fahaverezan-jaza tsy ampy taona izay mirongatra tokoa tato ho ato, dia miverina mahazo laka indray ny resaka fanolanana. Tovolahy 19 taona no voalaza fa nanolana zazavavy kely izay vao enin-taona monja, ny alakamisy 28 jolay lasa teo. Tany amin’ny fokontany Tsinjorano, Kaominina ambanivohitra Ankijabe, distrikan’Ambato Boeny, no nisy nanao izany. Tokony ho tamin’ny iray ora tolakandro, tratran’ny fokonolona am-bodiomby tanteraka teo am-panaovana ny asa ratsiny ity tovolahy ity. Ilay zazavavy naolany dia voalaza fa monina ao Menarano, ao amin’io Kaominina io ihany. Tezitra aok’izany ny fokonolona raha nahita ny zava-doza niseho. Voamarin’ny dokotera mitsabo ilay zaza mantsy fa simba tanteraka ilay zaza ary mila fanaraha-maso akaiky. Kely foana no tsy nampiharan’ny fokonolona ny hatezerany tamin’ity tovolahy nahavanon-doza. Avy hatrany ity farany, dia naterin’ny fokonolona maromaro narahana JAMA iray, andrimasom-pokonolona any an-toerana, teny amin’ny biraon’ny Polisy ao Ankazoambo. Eo am-pamotorana ilay tovolahy nahavanon-doza arak’izany ireo mpitandro ny filaminana. Ilay zaza kosa mbola manohy ny fitsaboana azy eny amin’ny hopitaly Ankazoambo.

Niony H.

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici