- Publicité -
mardi, septembre 29, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbatobe : Fiara nandona nahafaty zazavavy kely 5 taona , nitolo-batana teny...

Ambatobe : Fiara nandona nahafaty zazavavy kely 5 taona , nitolo-batana teny amin’ny polisy ny mpamily

Omaly tolak’andro tokony ho tamin’ny 3 ora sy sasany  teo no nitrangan’ity lozam-pifamoivoizana mahatsiravina ity , teny amin’iny sampanan-dalana ho any »Residence Ambatobe iny. Fiaran’ny zotra 183  ireny no fantatra fa nandona nahafaty zazavavy kely iray , izay voalaza fa eo amin’ny 5 taona eo ho eo.  Araka ny loharanom-baovao voaray dia fantatra vokatry ny fifanenjehana teo amin ‘ny fiara roa no niteraka ny loza , nandeha mafy vokatr’izany ireto mpamily roa ireto ka izay no nahavoadona ity zazavavy kely ity. Tetsy andaniny ihany koa dia voalaza fa notantanan-dreniny ihany ity zazavavy kely ity, saingy nataony teny amin’ny sisiny misy ny arabe. Nifandrohy tamin’ireo taxi-be roa nifanenjika moa ny fahavotsoran’ny tanan’ity reniny ity zaza ity izay nitantana azy ka voadona ilay zazavavy kely , ary maty vokatr’izany. Vantany vao voadona moa ity zazakely ity dia efa tsy nahatsiaro tena intsony , ny rà kosa nijininika nameno ny araben’ny Ambatobe. Mbola nentina avy hatrany teny amin’ny hopitaly  ity zaza ity mba hialana nenina saingy tsy tana intsony kosa ny ainy vao tonga teny amin’ny toeram-pitsaboana. Ireo mpandeha rehetra tao anaty fiara kosa samy tsy hita avokoa.  Fantatra fa ireo mpamily sy mpanampy ity fiara ity  dia voalaza fa nitolo-batana avy hatrany teny amin’ny tobiny polisy vantany vao nandona ity zazavavy kely ity. Efa natao famotorana kosa izy ireo amin’izao fotoana izao.

FINARITRA RAKOTO (Stagiaire)

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici