- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversAmbatoboeny : Fanafihan-dahalo, olona telo voatifitra, efatra lasa takalon’aina

Ambatoboeny : Fanafihan-dahalo, olona telo voatifitra, efatra lasa takalon’aina

Tsy an-tanan-dehibe tsy ambanivohitra fa dia tena mampiakaika ny mponina mihitsy ity resaka tsy fandriam-pahelamana ity. Any ambanivohitra dia manjaka tanteraka ny asan-dahalo ary mazàna dia miafara amin’ny rà mandriaka foana izany. Toy ny nitranga tany Ambararata, ao any amin’iny distrikan’Ambatoboeny iny, tamin’ity herinandro ity. Olona telo no voan’ny balan’ireo malaso ka tompon’omby iray no maty tsy tra-drano. Nisy olona efatra kosa no lasan’izy ireo natao takalon’aina, ankoatra ireo omby am-polony maro lasan’ireto olon-dratsy ireto. Manodidina ny efapolo lahy any ireo andian-dahalo ireto, araka ny fampitam-baovao azonay, ary samy nirongo basy avokoa. Tsy nisy resaka sy alaharo alaharo teo fa avy hatrany dia poa-basy tsy nifandrenesana no nanakoako eran’ny tanana. Izay olona mbola sahy nisedra azy ireo sy nivoaboaka teny ivelany, avy hatrany dia norarafan’ireto malaso ireto avokoa. Tamin’izany fotoana izany no nahavoatifitra ny tompon’omby iray sy olona roa hafa. Raha ny vaovao azo moa dia navotsotr’ireto andian-dahalo ireto ihany ireo olona nalain’izy ireo nataony takalon’aina rehefa tafavoaka ny tanana izy ireo. Efa nampandrenesina moa ireo zandary tany an-toerana ary niroso avy hatrany tamin’ny fanarahan-dia sy fikarohana ireo olon-dratsy ireto izy ireo.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici