- Publicité SW45 -
mercredi, mai 15, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbatoboeny : Lehiben-dahalo, maty voatifitry ny miaramila mpampandry tany

Ambatoboeny : Lehiben-dahalo, maty voatifitry ny miaramila mpampandry tany

Rehefa nokarohina efa hatry ny ela, dia nahazo loharanom-baovao marim-pototra avy tamin’olona tsara sitrapo ny miaramila mpampandry tany ZRPS DELTA BOA2 Ambatoboeny. Raha iny nihazo ny lalana mandeha any Antsalala iny, izay voatondro  fa misy ny trano fiafenan’ity lehiben-dahalo mitam-basy nokarohina ity ireo tafika mpampandry tany, ny alarobia teo, dia nifanehatra tao Berivotra, Kaominina ambanivohitra Marovoay ny roa tonta, ka raikitra ny fifampitifirana, ary maty rotiky ny bala ity lehiben-dahalo mampihorohoro ity. Araka ny tati-baovao voaray, mbola mitohy hatrany kosa hatramin’izao ny fikarohana sy fanaovana hazalambo ny naman’ity dahalo namoy ny ainy, izay voalaza fa miafina any anaty ala.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici