- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbatoboeny : Tratra ny andian-dahalo anisan’ireo nitetika zandary tao Anjiajia

Ambatoboeny : Tratra ny andian-dahalo anisan’ireo nitetika zandary tao Anjiajia

Ezaka be dia be no vitan’ny zandary avy ao Betsiboka tamin’iny herinandro lasa iny.  Anisan’izany ny nahatratraran’ny andian-jiolahy voalaza fa maherivaika tokoa. Izy ireo, araka ny vaovao no namono nahafaty ary nitetika zandary iray tany amin’ny toerana antsoina hoe Anjiajia. Tsy vitan’izany, fa mbola ry zalahy ihany koa no voatondro ho namono sefona zandary sy tompon’amby tany an-toerana. Tratra tao amin’ny fokontanin’Antsoherinakanga kaominin’ambanivohitra Anjijia, distrikan’Ambatoboeny ny zoma 23 septambra 2016 maraina tokony ho tamin’ny enina ora ireo dahalo rain-dahiny atao hoe “Tarika Barinjaka”. Efa ela tokoa ity tarika ity no nampitondra faisana iny faritra iny. Teo anoloan’ny firongatry ny asan-dahalo tany amin’iny faritra iny, nisy ny hetsika nataon’ny mpitandro filaminana ho enti-miady amin’ny ratsy ataon’ireo andian’olona ireo. Lehilahy telo sy vehivavy iray no tao anatin’ity andian-dahalo ity. Hita teny amin’izy ireo ny fitaovana ratsy maro isan-karazany, toy ny fanafody gasy marobe nampiasainy tamin’ny fanafihana nataony sy ny fitaovana, toy ny antsy lva sy famaky. Taorian’ny fanadihadiana no nahalalana fa ny iray tamin’ireo voasambotra ireo no nitetika ilay zandary, roa volana lasa izay. Tsy vitan’izany fa efa namono olona sy nangalatra omby marobe koa izy io.

Efa natolotra ny Fampanohavana ao Maevatanana ireto andian’olona ireto. Ny mponina any an-toerana mitaky ny hampiharana ny sazy faran’izay henjana ho azy ireo. Amin’ireo mponina, tsy tokony hisy ny famotsorana ireo olon-dratsy ireo satria matahotra izay mety ho valifaty ataon’ireo jiolahy ny rehetra.

Mbola mitohy ny hetsika manokana iadiana amin’ny asan-dahalo ankehitriny ao amin’ny faritra Ambatoboeny sy ny manodidina ka nanao antso avo ny Komandin’ny kaompanian’ny zandarimaria ao an-toerana, ny kapiteny Razanaparany Félix,  ny mba hahamailo lalandava ny vahoaka  ary mangataka azy ireo hiara-hiasa hatrany amin’ny mpitandro filaminana hiadina amin’ny fangalaran’omby arahina vonoan’olona ataon’ireo dahalo.

nangonin’i r.s.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici