Miha mivoatra tsikelikely ankehitriny ny raharaha momba ny famonoana ankizivavy 10 taona, tany amin’ny Distrikan’ Ambatoboeny, hita faty tsy nisy taova intsony tao anaty alan- katsaka tsy lavitra ny fonja, afak’omaly. Araka ny loharanom-baovao marim-pototra voaray ,dia olona telo ahiahiana ho voasaringotra sy tompon’antoka tamin’ity vono olona tamin’ny fomba feno habibiana ity no karohina fatratra atao hazalambo amin’izao. Raha tsiahivina ny zava-nisy, dia handeha hivavaka ao amin’ny Eglizy Katolika no nivoahan’ ity zaza ny tranon’ny ray aman-dreniny ny alahady teo, saingy vatana mangatsiaka voarasarasa niboraka tsinay, tsy nisy tongotra sy tanana roa no hita, ny alarobia teo.
Eric Manitrisa