Ny alarobia lasa teo no nisy nampandre ny mpitandro filaminana. Saingy vinavinaina ho tamin’ny herinandro lasa teo no nanao ny asa ratsiny ireo mpamaky fasana.
Tamin’ny fidinana ifotony nataon’ireo teo anivon’ny zandary sy ireo tompon’andraikim-panjakana teny an-toerana tokoa mantsy dia fantatra araka ny fampitam-baovao azo fa fasana roa no nisy namaky, tao Alanivato / Fanambo ambony, samy ao ao amin’ny fokontany Ankadivoribe Faravohitra, kaominina Ambatofahavalo, distrikan’Antananarivo Atsimondrano. « Tombanana ho efa talohan’ilay rotsak’orana voalohany teto Antananarivo iny, no nisian’ity vaky fasany ity, hoy ny vaovao. Efa samy mandon’ny orana avokoa mantsy ny tao am-pasana rehetra. Nakodian’ireo olon-dratsy ny varavaram-bato ary nanao izay danin’ny kibony, nitsimpona ireo taolambalo izy ireo ». Saika izay avokoa no hita tamin’ireo fasana roa, izay marihana fa samy fasana efa ela avokoa. « Ny iray efa tamin’ny taona 1985 no nandevenana farany ny iray ny taona 2021 teo ».
Tsy nisy niangana tokoa ireo taolam-balo rehetra tao anatin’ireo fasana roa ireo, raha ny voalaza, ankoatry ny karandoa miisa roa sy razana telo vao haingana. Nahatratra hatrany amin’ny 27 mantsy no isan’ny razana nanjavona tao amin’ilay fasana voalohany, ary torak’izay ihany koa ny tao amin’ny fasana faharoa.
Teo anatrehan’ny zava-nisy dia nisy avy hatrany ny fanentanana ny mponina mba hiaro ireo fasana eny amin’ny manodidina, indrindra fa ireo fasana efa nandevenana ela. Efa mandeha moa ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo olona izay mety ho nahavanon-doza tamin’ity vaky fasana ity any an-toerana.
m.L