Tsy eny ambanivohitra intsony no ataon’ireo dahalo lasibatra amin’ny halatr’omby fa na hatramin’ireo aty an-drenivohitra aza. Tsy lavitra tokoa fa etsy amin’ny distrikan’Atsimondrano, etsy Ambatofahavalo no nitrangana halatr’omby. Efa an-dalana hihazo ny famonoan’omby no tra-tehaky ny zandary izany omby halatra izany niaraka tamin’ny olona nividy azy. Raha ny fanazavana azo dia tonga nampandre ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra tao Ambatofahavalo ny olona iray fa very, nisy nangalatra ny omby vositra, tao amin’ny tanànan’Ambatomitsangana/Ankazotokana. Teo anatrehan’ny zava-nisy dia nanao ny fanadihadiana avy hatrany ireto farany, hikarohana izay mety ho nahavanon-doza tamin’izany zavatra izany. Tetsy andanin’izay moa, efa nandeha ny fitadiavana ilay omby. Azo heverina avy hatrany amin’ny toe-javatra tahak’izao fa mety handeha hovonoin’ireo izay nangalatra ny omby ka nisy ny fitsirihana ireo toerana famonon’omby teo an-drenivohitra. Ny teny akaiky avy hatrany ny nanombohana izany. Ary inona tokoa fa hita tsy lavitry ny toerana famonon’omby tetsy Ankadindratombo no hita ity omby vositra. Efa olon-kafa no milaza fa tompony. Fantatra tamin’ny fanadihadiana fa olona nividy halatra ity farany. Ary avy tamin’ny alalany no nahafahantarana ireo olona nividianany izany omby izany sy nahafahana nisambotra ireto farany. Telo lahy araka izany no voasambotry ny zandary ary notanana amin’ny famotorana amin’izao fotoana izao, hoy hatrany ny fanazavana azo. Tato ho ato tokoa dia io tsapa fa miha mirongatra io indray ny resaka tsy fandriampahalemana. Fa indrindra ity dahalo tsy matahotra intsony ny mananika tanan-dehibe ity. Raha izay ny teto an-drenivohitra mantsy, vao ny alakamisy lasa teo, ihany koa dia nitrangana fanafihan-dahalo ny tao Ambohitsimena, Ankadivory, ao amin’ny kaominina ambonivohitra Anjozorobe. Tsy lavitra akory ny tampon-tanana izany toerana izany kanefa dia sahin’ireo olon-dratsy ny nanafika ary nitondra ireo omby. Tsy lasa lavitra moa ireto farany dia efa votsotra ireo omby ary tafaverina soa aman-tsara. Efa manao ny fikarohana sy ny hazalambo ary ny fiambenana kosa ireo tompon’andraikitry ny filaminana tany an-toerana.
m.L
Ka ny mpitandro fikorontanana,azafady,filaminana manko e! mbola sahirana mafy dia mafy
miambina ny partis d’opposition tsy hivory ko!!!