- Publicité -
mercredi, juin 18, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatofinandrahana : Dahalo 70 nirongo basy, lasa avokoa ny omby rehetra teo...

Ambatofinandrahana : Dahalo 70 nirongo basy, lasa avokoa ny omby rehetra teo an-tanàna

Dahalo manodidina ny 70  nirongo kalach sy basim-borona ary fitaovam-piadiana hafa ny sasany, no nanafika tao amin’ny tanànan’ Andrahalana any amin’ny Distrikan’ Ambatofinandrahana, ny 12 jona lasa teo tamin’ny 11 ora alina. Noho ny hery tsy nitovy sy ny tahotra ny vavam-basy, dia nifitsaka tsy nisy sahy nivoaka ny tranony ny mponina, ka niliba ireo dahalo nangorona ny omby rehetra teo an-tanàna. Araka ny loharanom-baovao azo dia nandefa filazana nialoha andro maromaro ireo malaso fa tonga hanafika amin’io tanàna io. Nanao fisafoana tsy tapaka tamin’ity toerana ity ny mpitandro filaminana, raha nandre ny vaovao, kanefa raha vao niala adiny iray ny tanànan’ Andrahana ireo polisy niandry kizo dia voatafika ny tanàna nialan’izy ireo.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici