- Publicité -
samedi, septembre 19, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbatofinandrahana : Mitombo isa ireo marary matin’ny tazomoka mahery

Ambatofinandrahana : Mitombo isa ireo marary matin’ny tazomoka mahery

Rehefa nandravarava nandritra ny taona maro ny dahalo mitam-basy any amin’ny Distrikan’ Ambatofinandrahana, Faritra Amoron’i Mania, dia mampandamaka ny mponina ihany koa ankehitriny ny aretina tazomoka mahery, ka anisan’ny tena lasibatra amin’izany, ary ahitana sy ahenoana olona maty betsaka ny ao amin’ny Kaominina ambanivohitr’i Fenoarivo, Ambondromisotra ary Talata Vohimena. Raha ny fanazavana azo, dia feno marary avokoa ireo tobim-pahasalamana, ka tsy maharaka ny fitsaboana intsony ny mpitsabo, ary misy amin’ireto farany ihany koa marary noho ny havizanana, satria tsy latsaky ny 50 isa isanandro ny olona tsaboin’ny dokotera iray. Vokatr’izany, feno hipoka marary ny efitrano, ka misy amin’ireo marary tsaboina no matory ivelan’ny hopitaly. Noho ny halaviran-toerana misy ihany koa, dia maro amin’ireo marary mamonjy toeram-pitsaboana no maty an-dalana, hoy ny tati-baovao voaray.

Eric Manitrisa

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici