- Publicité -
samedi, mai 24, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatofinandrahana : Mpividy vatosoa voaroba, olona iray maty, 12 tapitrisa ariary lasa

Ambatofinandrahana : Mpividy vatosoa voaroba, olona iray maty, 12 tapitrisa ariary lasa

Olona iray namoy ny ainy, dimy hafa kosa naratra mafy. Vola mitentina eo amin’ny 12 tapitrisa ariary teo kosa lasa. Ireo rehetra ireo no vokatry ny fanafihan-jiolahy nitranga tao amin’ny fokontanin’i Vohenana, kaominina Soavina, any amin’ny distrika Ambatofinandrahana, ny faran’ny herinandro lasa teo. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary any an-toerana dia trano telo samihafa, izay samy mpividy vatosoa, ireto lasibatry ny asan-jiolahy ireto. Jiolahy manodidina ny 20 lahy mirongo basim-borona no tonga nampihorohoro ny tanàna tamin’io fotoana io, tokony ho tamin’ny 10 ora alina tany ho any. Tsy nisy tao an-tanàna ny vatan-dehilahy tamin’io andro io, hany ka tena nanararaotra ireto malaso ireto. Saika ankizy sy vehivavy avokoa no tratran’izy tao an-tanàna. Na izany aza anefa, tsy nisalasala mihitsy ireto olon-dratsy nanampatra herisetra tamin’izy ireo. Raha ny tatitra azo hatrany dia nisy ny voadaroka vodibasy, tao ny voafira antsy. Adiny iray mahery taty aorian’ny fanafihana no tonga tany an-toerana ny zandary saingy efa tafaporitsaka avokoa ireo olon-dratsy. Efa nentina namonjy toeram-pitsaboana avokoa ireo naratra. Mitohy kosa etsy andanin’izay ny fanadihadiana ataon’ireo mpitandro filaminana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici