Loza tsy roa aman-tany no niseho tany amin’ny tanana Mangataboangy any Ambatofinandrahana ny faha-7 desambra teo. Nilatsahan’ny varatra ny kilasy iray tao amin’ny sekolin-dry masera any an-toerana tokony ho tamin’ny 9 ora sy 20 minitra. Tamin’io fotoana io, mpianatra miisa dimy no voalaza fa namoy ny ainy ary marobe ireo naratra. Nisy tamin’izy ireo koa anefa no tsy tana ny ainy. Araka ny terehimarika tsy mbola ofisilay, tafiakatra fito ireo ankizy maty. Raha vao niseho ny loza, tonga nanome tanana ireo rehetra tsara sitrapo avy amin’ny manodidina. Nalefa namonjy trano fitsaboana akaiky avokoa ireo naratra. Tetsy andaniny, raha vao nahare ny voina ny mpitondra fanjakana dia nidina any an-toerana ny lehiben’ny governemanta notronin’ny tompon’andrikitra isan-tsokajiny. Tonga nampahery ireo ray aman-dreny sy izay rehetra voakasik’izao loza voajanahary izao. Ho hita eo ihany ny fivoaran’ny toe-javatra ato anatin’ny 48 ora.
Tamin’ity taona ity taona ity, nahery vaika tokoa ny filatsahan’ny varatra indrindra any amin’iny faritra afovoany atsimo iny. Taty Vakinankaratra fotsiny, olona am-polony no voalaza fa maty nilatsaham-potaka. Marobe ny resaka manodidina ity zavatra ity aty amintsika. Misy ireo milaza fa ataon’olona izany. Etsy andaniny indray anefa, mahatsapa ny maro fa mihantona ny orana ka rehefa tonga dia mandrava zavatra maro.
r.s.