- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbatofotsy Gara : Zazavavy telo nalentiky ny rano

Ambatofotsy Gara : Zazavavy telo nalentiky ny rano

Zava-doza mahatsiravina indray no nitranga ny faran’ny herinandro  teo. Ankizivavy  telo niara-nilalao rano no nilentika ka tsy nipoitra intsony raha tsy efa vatana mangatsiaka sisa. Ny zoma hariva 5 aogositra lasa teo, manodidina ny tamin’ny roa ora, teny amin’ny reniranon’i Sisaony eny Ambatofotsy Gara no nitrangan’ny loza.  Raha zohina ny zava-niseho, ankizy vavy telo izay marihina fa mpirahavavy (cousines) ihany, manodidina ny 14 taona eo, no nifanao fotoana handeha hiaraka hilomano tao amin’io renirano io, tokony ho 200 metatra miala ny tetezan’Ambatofotsy Gara eny amin’ny làlam-pirenena fahafito iny. Ny andro rahateo mbola tena ao anatin’ny fialan-tsasatra tanteraka ka tsy nisy ny nanakana azy ireo. Ny rano anefa tetsy andaniny lalina dia lalina noho ny fisiana lavaka lalina ao amin’io faritra io, izay vokatry ny fanaovana biriky teny an-toerana nandritra ny main-tany tamin’ny taona lasa. Efa niezaky ny nampitandrina azy ireo ihany ny mpaka fasika izay nandalo lakana teo saingy tsy nampaninona azy telo vavy izany. Efa fahazaran’izy telo vavy rahateo ny nilalao rano teo ka tsy natahotra velively ny ho fivadiky ny zava-misy izy ireo. Niroso lalindalina hatrany izy ireo noho izany. Indrisy anefa, latsaka tao anatin’ilay lavaka ihany izy telo vavy. Nilentika tsy hita intsony. Ny olona izay nahatazana ny loza samy tsy nisy nahasahy niroboka tao anaty rano mba hanavotra azy telo vavy. Nisy tamin’izy ireo noho izany niantso avy hatrany ny “pompiers” avy aty Antananarivo. Tokony ho tamin’ny telo ora tany ho any ireto farany no tonga teny an-toerana. Antsasak’adiny taorian’ny fikarohana vao hitan’izy ireo ny fatin’ny zazavavy voalohany. Folo minitra taorian’izay kosa vao hita ireo roa vavy hafa, izay efa samy tsy nisy aina avokoa. Hatreto, tsy mbola fantatra izay fianakavian’izy ireo. Ny zandary avy ao amin’ny borigady Ambatofotsy no misahana ity raharaha ity. Misokatra araka izany ny fanadihadiana.

Niony H.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici