- Publicité SW45 -
jeudi, mai 23, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbatofotsy – Maevatanàna : Nanafatra an-taratasy ny dahalo roapolo lahy, fa hanafika

Ambatofotsy – Maevatanàna : Nanafatra an-taratasy ny dahalo roapolo lahy, fa hanafika

Hataraina ny an’ireo mponina izay nahita sy nijery ny taratasy nipetaka tamin’ny rindrin-tranon’olona iray, tao amin’ny fokontan’Ambatofotsy, ato anatin’ny kaominina Maevatanàna voalohany, raha nahita ny hafatra misy soratra hoe: ho avy izahay dahalo roapolo lahy hanafika ny tanàna voalaza ety aloha, sady manonona anaran’olona maromaro ao anatin’ilay taratasy, hany ka hatramin’ny filoham-pokontany ao an-toerana avy no tafiditra ao antin’izany hafatra izany. Ny marainan’ny alarobia faha-08 may 2024 teo, moa efa niatrana marobe nitangorana nijery ny mponina sy nilaza hoe: loza izany raha tena misy sy ho avy eto amin’ny fokontany misy antsika. Taorain’izay dia naterina teny amin’ny biraon’ny fokontany ilay taratasy. Noho io hafatra an-taratasy io, dia raiki-tahotra ny ankamaroan’ireo olona ao amin’ny fokontan’Ambatofotsy, ary ao ihany koa ireo maneho hevitra sy ny fahitan’izao hoe: sao mba olona manana disadisa amin’ireo voalaza anarana no manao izao hafatra izao, satria raha ny soratra ao anatin’ny taratasy, dia olona mahay manoratara no manao azy. Tao koa ny hevitry ny sasany manao hoe: fanakorontanana sain’olona izao, sady tsy misy dahalo hampiomana izany, hoy ireto farany, izay mbola naneho hevitra, rehefa hanafika tanàna iray, indrindra fa ity tampon-tanàna be misy polisy sy zandary ity. Tsy hay aloha no mety tena marina amin’izao hafatra manonana dahalo roapolo lahy hanafika ao Ambatofotsy izao.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici